Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.
Eksodosy 14:23 - DIEM PROTESTANTA Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin’ny farao rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan’ny ranomasina avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin’ny farao rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan’ny ranomasina avokoa. Baiboly Katolika Nanenjika azy ny Ejiptianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsovaliny. Malagasy Bible Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. La Bible en Malgache Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny. |
Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.
Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.
Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.
Rehefa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’ny Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingina azy, dia naverin’ny TOMPO hanafotra azy ireo ny ranomasina; fa ny Israelita kosa niampita teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina.
Dia hoy ireo fahavalony hoe: «Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika, halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo; hotsoahantsika ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanantsika.»
Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin’izay rehetra atao eto ambonin’ny tany. Feno faharatsiana ny fon’ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin’ny maty no hiafarany.