Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.
Eksodosy 13:8 - DIEM PROTESTANTA Mandritra io fety io no hitantaranareo amin’ny zanakareo hoe: «Izao no ataonay dia noho izay nataon’ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany hoe: Noho ny nataon’NY TOMPO tamiko tamin’ny nivoahako avy tany Ejipta no anaovako izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandritra io fety io no hitantaranareo amin’ny zanakareo hoe: «Izao no ataonay dia noho izay nataon’ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.» Baiboly Katolika Ary amin’izay ianao hilaza amin’ny zanakao lahy hoe: ‹Fahatsiarovana ny nataon’i Iaveh tamiko, fony aho nivoaka avy tany Ejipta, izany.› Baiboly Protestanta Malagasy Dia hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany hoe: Noho ny nataon’i Jehovah tamiko tamin’ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. Malagasy Bible Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. La Bible en Malgache Hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany hoe: Noho ny nataon’NY TOMPO tamiko tamin’ny nivoahako avy tany Ejipta no anaovako izao. |
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.
Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.
Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.
Ny velona ihany no afaka hidera Anao, dia tahaka ahy izao anio izao sy tahaka ireo ray aman-dreny izay hampahalala ny zanany fa tena mahatoky tokoa Ianao.
Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin’ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.
Rahatrizay ny zanakareo hanontany anareo hoe: «Inona no anton’ireo baiko sy lalàna amam-pitsipika izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika anareo?»,