Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 13:7 - DIEM PROTESTANTA

Mandritra io fito andro io dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora ianareo, aoka tsy ho hita eo amin’ny faritaninareo rehetra na ny mofo misy leviora na ny leviora.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mofo tsy misy masirasira no hohanina mandritra ny hafitoana; tsy hisy mofo misy masirasira ao aminao ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao, any amin’ny taninao rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mandritra io fito andro io dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora ianareo, aoka tsy ho hita eo amin’ny faritaninareo rehetra na ny mofo misy leviora na ny leviora.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mandritra ny hafitoana no hihinanana mofo tsy misy lalivay; tsy hahitana mofo voaisy lalivay ao aminao: tsy hahitana lalivay ao aminao, eran’ny taninao rehetra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin’ny taninao rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mofo tsy misy masirasira no hohanina mandritra ny hafitoana; tsy hisy mofo misy masirasira ao aminao ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao, any amin’ny taninao rehetra.

Jereo ny toko



Eksodosy 13:7
6 Rohy Ifampitohizana  

«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.


ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.


ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin’ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin’ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy.


Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan’ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin’ny harivan’ny andro voalohany.


Ny ampitson’ny Paska dia nihinana mofo tsy misy leviora sy lango avy amin’ny vokatry ny tany izy.