Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:9 - DIEM PROTESTANTA

Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fàdiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakondrin’ny Paska dia natsatsika tamin’ny afo araka ny fanao; fa ny fanatitra masina hafa kosa nandrahoina tao anaty vilany sy vilanibe ary kaseraola, dia nozaraina faingana tamin’izay rehetra teraky ny firenena israelita.


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


Halainao ny sabora izay mandrakotra ny tsinainy mbamin’ny saron’atiny ary ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, dia hodoranao eo ambony alitara avokoa.


Hotetehinao ho vongana madinika ny ondrilahy; hosasanao ny tsinainy sy ny tongony ka hapetrakao eo ambony alitara, eo ambonin’ireo vongana madinika sy ny lohany.


Nandefa afo avy tany an-danitra Izy mba haninteraka ny taolako. Namela-pandrika haningotra ny tongotro Izy ka nampitsinkasina ahy. Nataony lao mihitsy aho, ka mararirary isan’andro.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Dia handrahoinareo izany ka hohaninareo eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo; ary rehefa maraina ny andro, dia hody any an-dainareo ianareo.