Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay.
Eksodosy 12:5 - DIEM PROTESTANTA Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Zanak’ondry tsy misy kilema, na zanak’osy, ary lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo. Baiboly Katolika Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy. Baiboly Protestanta Malagasy Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izy; Malagasy Bible Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy; La Bible en Malgache Zanak’ondry tsy misy kilema, na zanak’osy, ary lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izany. |
Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay.
«Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.
«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.
Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.
Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.
Aza atao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman’osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.
Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.