Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy arakaraka ny isan’ny olona, fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:4
4 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Barzilay tamin’ny mpanjaka: –Firy taona sisa hahavelomako no hiara-miakatra aminao any Jerosalema aho!


Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana.


Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo.


Dia nanao araka izany nasain’i Jesoa nataony izany ireo mpianatra, ka nanomana ny sakafo Paska.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra