Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.
Eksodosy 12:34 - DIEM PROTESTANTA Noho izany, dia nentin’ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia noentin’ny olona ny kobany efa voalena, raha tsy mbola tonga masirasira, sy ny vilany famolavolana koba, voafehy tamin’ny lambany teny an-tsorony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, dia nentin’ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka. Baiboly Katolika Mbola tsy voaisy lalivay akory ny koban’ny olona dia nentiny; ny sobika no nofonosiny tao anaty kapaotiny dia niantsorohiny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nentin’ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ny lambany teny an-tsorony. Malagasy Bible Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony. La Bible en Malgache Dia noentin’ny olona ny kobany efa voalena, raha tsy mbola tonga masirasira, sy ny vilany famolavolana koba, voafehy tamin’ny lambany teny an-tsorony. |
Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.
Mba nanao toy izany tamin’ny fankatoavany koa ireo mpimasy: nampiakariny ho amin’ny tany Ejipta koa ny sahona.
Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.