Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 11:7 - DIEM PROTESTANTA

Fa ao amin’ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovòn’alika amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin’ny Israelita».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa tsy hisy na dia amboa iray aza hanetsika ny lelany amin’ny Zanak’Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby, mba ho fantatrareo ny tsy fampitovian’NY TOMPO ny Ejiptiana sy ny Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ao amin’ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovòn’alika amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin’ny Israelita».

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa eo amin’ny zanak’i Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran’i Iaveh an’i Ejipta sy an’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lelany amin’ny Zanak’Isiraely rehetra, na amin’ny olona, na amin’ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa tsy hisy na dia amboa iray aza hanetsika ny lelany amin’ny Zanak’Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby, mba ho fantatrareo ny tsy fampitovian’NY TOMPO ny Ejiptiana sy ny Israely.

Jereo ny toko



Eksodosy 11:7
11 Rohy Ifampitohizana  

mamelom-panantenana ny osa izany, ary mampikombom-bava ny ratsy fanahy.


Mpitsara mitandro ny rariny Andriamanitra, ka rahonany mandrakariva ny olon-dratsy.


Tsy afaka mifankahita ny Ejiptianina mandritra ny telo andro, ka tsy nisy nihetsika tao an-tranony. Fa teo amin’ny fonenan’ny Israelita rehetra kosa dia nisy mazava.


Dia mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy ejiptianina; koa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino akory izay nangatahan’i Mosesy sy i Aharôna, araka izay efa nambaran’ny TOMPO.


Havahako tsy ho voan’ny loza hanjo ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso no hiseho izany zava-mahagaga izany.»


Fa novalian’i Mosesy hoe: –Tsia, tsy afaka hanao izany izahay satria ny sorona haterinay amin’ny TOMPO Andriamanitray dia fady amin’ny Ejiptianina; koa raha mahita anay hanao sorona toy izany izy ireo, dia hitora-bato anay.


Ny faritany Gôsena izay nonenan’ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.


Saingy havahan’ny TOMPO ny biby fiompin’ny Israelita sy ny an’ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an’ny Israelita!»


Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.


Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin’ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin’Andriamanitra? Ary raha nandray tamin’Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?


Avy teo dia niverina soa aman-tsara ho any amin’i Josoa tao an-toby tany Makedà ny tafiny manontolo. Ary tsy nisy olona sahy nanao vava ratsy tamin’ny Israelita intsony.