Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?
Eksodosy 11:10 - DIEM PROTESTANTA I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanao ireo famantarana rehetra ireo teo amin’i Farao i Mosesy sy i Arona; ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha hiala tamin’ny taniny ihany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy. Baiboly Katolika Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’Isiraely hiala tamin’ny taniny izy. Malagasy Bible Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy. La Bible en Malgache Ary nanao ireo famantarana rehetra ireo teo amin’i Farao i Mosesy sy i Arona; ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha hiala tamin’ny taniny ihany izy. |
Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?
Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.
Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.
Izaho anefa hanamafy fo ny Farao; ka na dia maro aza ireo famantarana sy zava-mahagaga izay hataoko ao amin’ny taniny,
Ary ny TOMPO nanamafy ny fon’ny Farao; koa arak’izay efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.
«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»
Koa izay tian’Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.
Na dia te haneho ny fahatezerany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamanitra, dia be fahari-po ka nandefitra tamintsika izay fanaka mendrika hirehetan’ny fahatezerany sy tokony hosimbana.
Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.
Ny TOMPO manko no nahatonga azy ireny ho mafy fo ka hihantsy ady tamin’ny Israelita mba handringanana azy tanteraka tsy misy indrafo, satria tsy maintsy naringana ireny araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Nahoana no hihamafy fo tahaka ny Ejiptianina sy ny Farao ianareo? Tsarovy tsara ny nanaovan’Andriamanitra azy ireo ka nahatonga azy hamela ny vahoaka handeha, ka dia lasa izy.