Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.
Eksodosy 10:18 - DIEM PROTESTANTA Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary mangataka tamin’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala teo amin’i Farao izy ka nifona tamin’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary mangataka tamin’ny TOMPO. Baiboly Katolika Niala avy ao amin’i Faraôna i Môizy, dia nangataka tamin’i Iaveh, Baiboly Protestanta Malagasy Dia niala teo amin’i Farao izy ka nangataka tamin’i Jehovah. Malagasy Bible Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia niala teo amin’i Farao izy ka nifona tamin’NY TOMPO. |
Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Asaovy ahinjitr’i Aharôna ny tehiny hikapohany ny vovo-tany dia ho tonga moka ao amin’ny tany Ejipta manontolo izany.
Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna. Ary nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;
ka notanterahin’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy: maty ireo sahona tao an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha.
Dia nitalaho sy nikiakiaka tamin’i Mosesy ny vahoaka; koa nifona tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia maty ny afo.
Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,