Eksodosy 10:12 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra. Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao ny amin’ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin’ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ny tany Egypta ny tànanao hihavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra. La Bible en Malgache Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra. |
Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.
Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin’ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin’ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.
Ary nisy valala navoakan’io setroka io mba hankamin’ny tany sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany.