Dia niteny tamin’i Itsehàka i Abimelèka hoe: –Mialà eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.
Eksodosy 1:9 - DIEM PROTESTANTA Hoy izy tamin’ny vahoakany: –Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy io no niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, efa maro sy mahery noho isika ny firenen’ny Zanak’Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy izy tamin’ny vahoakany: –Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika. Baiboly Katolika Hoy izy tamin’ny vahoakany: «Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ny Zanak’Isiraely efa maro sy mahery noho isika; Malagasy Bible Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika; La Bible en Malgache Izy io no niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, efa maro sy mahery noho isika ny firenen’ny Zanak’Israely. |
Dia niteny tamin’i Itsehàka i Abimelèka hoe: –Mialà eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.
Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.
Ankehitriny efa tonga marobe eto amin’ity tany ity ireo olona ireo, ka tianareo hitsahatra amin’ny asa fanompoany ve?
Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?
Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.
Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.
Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»