Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:16 - DIEM PROTESTANTA

ka nanao hoe: –Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo ka hitanareo fa zazalahy dia vonoy, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nanao hoe: –Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio ianareo ka hitanareo eo amin’ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo hianareo, ka hitanareo eo amin’ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo ka hitanareo fa zazalahy dia vonoy, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny fon’ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin’ireo mpanompony.


Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan’i Ejipta,


Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.


Vao nahita ity zanany kosa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina dia ho lasantsika ny lovany.»


Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.


Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy. Hitany manko fa zazakely mahafatifaty i Mosesy, ka tsy natahorany izay baikon’ny mpanjaka.


Nifaoka ny ampahatelon’ny kintana eny amin’ny habakabaka ny rambon’ilay dràgona, ka nanjera ireny tamin’ny tany. Teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka no nijanonan’ity dràgona, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka.