Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:12 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa arakaraka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa ka natahotra ny Zanak’Israely fatratra ny Ejiptiana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’Isiraely indrindra ny Egyptiana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa arakaraka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa ka natahotra ny Zanak’Israely fatratra ny Ejiptiana.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:12
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.


Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany.


Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.


Nohamaroin’Andriamanitra tokoa ny vahoakany ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.


Tahîn’ny Tompo izy ka mihamaro fatratra; ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.


Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,


Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.


Hoy izy tamin’ny vahoakany: –Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika.


Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.


Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?


Tamin’izay ny Farisianina dia nifampilaza hoe: –Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.


Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.