Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.
Daniela 6:20 - DIEM PROTESTANTA Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin’ny lavaky ny liona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nifoha vao maraina ny mpanjaka ka nandeha haingana ho any amin’ny lavaky ny liona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin’ny lavaky ny liona. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ny lavaky ny liona. Malagasy Bible Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona. La Bible en Malgache Dia nifoha vao maraina ny mpanjaka ka nandeha haingana ho any amin’ny lavaky ny liona. |
Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.
Hidera ny TOMPO aho raha mbola miaina koa; hankalaza ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.
–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny fahefànao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.
Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin’ny fotoana izay handrenesanareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin’ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin’ny fahefàko?
Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka.
Fa dodona niverina tany amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina, ny didy aman-dalàna izay navoakan’ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.
Taorian’izany i Dariôsa mpanjaka dia nanoratra ho an’ny vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ny tany tontolo hoe: –Hitombo anie ny fiadananareo!
Mamoaka izao didy izao aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniela manerana ny fanjakako. Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany tsy mety rava ary ny fanapahany haharitra tsisy farany.
Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,
Fa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.
Nanaovan’i Jesoa fanoharana avy eo ny mpianany hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.
homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;
Izy no nanafaka anay tamin’ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany,
Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany ombàn’ny fisaorana an’Andriamanitra.
ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.
Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.
Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin’izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an’asa, dia ho sambatra izy amin’izay asa tanterahiny.
Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny;