Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny tombokaseny sy tamin’ny an’ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniela.
Daniela 6:19 - DIEM PROTESTANTA Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka; tsy nihinan-kanina izy nandritra ny alina sady tsy nisy zazavavy mpandihy nampidirina teo anatrehany; eny, tsy nahita tory izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. Malagasy Bible Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. La Bible en Malgache Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka; tsy nihinan-kanina izy nandritra ny alina sady tsy nisy zazavavy mpandihy nampidirina teo anatrehany; eny, tsy nahita tory izy. |
Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny tombokaseny sy tamin’ny an’ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniela.
Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin’ny lavaky ny liona.
Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.
Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy telo vavy
Kanefa tsy nilamin-tsaina aho satria tsy nahita an’i Tito rahalahiko. Koa nanao veloma ny olona tao Trôasy aho, dia niainga nankany Masedônia.
Koa satria tsy aritro intsony, dia nalefako i Timôty hahalalako ny finoanareo. Nanahy aho fandrao voataonan’ilay mpaka fanahy ianareo ka ho very maina ny nikelezanay aina.