Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 16:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy telo vavy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy telo vavy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nony maraina koa tamin’ny voalohan’andro amin’ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 16:2
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.


Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.


Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdalà sy i Salôme ary i Maria renin’i Jôsèta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an’i Jesoa.


ary nifampilaza hoe: –Iza no hasaintsika hanakodia ny vato avy eo amin’ny vavafasana?


Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany.


Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin’ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra