Amin’ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiàsanao ary na dia zavontany aza ny fankatòvanao.
Daniela 5:30 - DIEM PROTESTANTA Tamin’io alina io ihany dia novonoina ho faty i Belsatsara mpanjakan’i Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’io alina io ihany dia nisy namono i Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’io alina io ihany dia novonoina ho faty i Belsatsara mpanjakan’i Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana. Malagasy Bible Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana. La Bible en Malgache Tamin’io alina io ihany dia nisy namono i Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana. |
Amin’ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiàsanao ary na dia zavontany aza ny fankatòvanao.
Namelarako fandrika ianao, ry Babilôna, ka voan’izany, nefa tsy fantatrao akory. Tratra sy voasambotra ianao, satria Izaho TOMPO no niadianao.»
Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.
Mifampita vaovao ny iraka mpihazakazaka mba hampandre ny mpanjakan’i Babilôna, fa azom-pahavalo ny tanànany manontolo.
Raha mbola eo am-pilendalendana izy, dia efa manomana fanasana ho azy Aho: Homamoiko izy mba hiravoravo dia hatory mandrakizay, ka tsy hifoha intsony. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»
Noho izany, ankehitriny dia ianareo no ho voalohany amin’izay ho lasan-ko babo ka hifarana hatreo ny korananareo mpanao filibàna.