Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 51:57 - DIEM PROTESTANTA

57 «Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny mpiady maheriny; ary hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, izay antsoina hoe: Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

57 «Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

57 Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny, ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny, ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, - izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, Ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, Hoy ny Mpanjaka,–Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:57
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.


Koa hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan’ny mpimasy ary hataoko mirediredy ny mpisikidy; hataoko mianòtra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny fahalalàny.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.


Nanafatra ahy ny Tompo hilaza amin’izy rehetra hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitr’i Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà amin’ny tany mihitsy; ka tsy ho tafarina intsony ianareo noho ny fandringanana izay halefako eo anivonareo.»


–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!


Mananika ny tanànanareo ilay mpandrava an’i Môaba, ka nampidina ho amin’ny famonoana ireo zatovonareo voafantina. Izany no teny hentitra ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao.»


«Noho izany dia ho faty eny an-kianja eny ireo zatovony, ary ho ringana ireo miaramilany rehetra amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Raha mbola eo am-pilendalendana izy, dia efa manomana fanasana ho azy Aho: Homamoiko izy mba hiravoravo dia hatory mandrakizay, ka tsy hifoha intsony. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa hampihatra hery mafonja sy fahefana tsy hay tohaina Aho ary hampitosaka ny hatezerako mba hanjakako aminareo.


Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.


Matory tsy hifoha intsony ireo filoham-paritaninao ry mpanjakan’i Asiria, ary miampatrampatra ireo jeneralinao. Mihahaka eny an-tendrombohitra ny tafikao, ka tsy misy mamory.


Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.


Ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga tamin’i Babilôna sy niara-niliba taminy dia hitomany azy sy handondòn-tratra hisaona azy, rehefa hahita ny setroka vokatry ny fandoroana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra