Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna.
Daniela 5:18 - DIEM PROTESTANTA Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny aminao, ry mpanjaka ô! Andriamanitra Avo Indrindra no efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’i Nebokadnezara rainao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza. Baiboly Protestanta Malagasy Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’i Nebokadnezara rainao; Malagasy Bible Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao; La Bible en Malgache Ny aminao, ry mpanjaka ô! Andriamanitra Avo Indrindra no efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’i Nebokadnezara rainao. |
Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna.
Ny loza nomaniny dia mitsingerina eo an-dohany; ary ny herisetra notetehiny dia miantonta eo an-tampon-dohany.
Hidera Anao amin’ny foko manontolo aho, TOMPO ô, ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.
Na manorobona toy ny ahitra aza ny olon-dratsy ka mamony avokoa ny mpanao ny tsy rariny, dia ny mba haringana mandrakizay.
dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin’ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an’izay tiako.
Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.
Izany no hanolorako azy eo an-tanan’ny filohan’ireo firenena mba hamaliany azy araka ny faharatsiany.
Nahita hazo iray lehibe sy matanjaka ianao, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny tany tontolo izy.
Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.
Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy.
Ny mponina rehetra etỳ an-tany dia tsinontsinona ihany eo anoloany; araka izay sitrapony no ataony amin’ny anjely any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany; tsy misy afaka manohitra ny fahefàny na manome tsiny azy amin’izay ataony.
Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.
Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.
Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin’ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan’ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin’ny mpiara-dia tamiko.
Ilay Andriamanitra Avo indrindra anefa dia tsy mitoetra amin-trano vitan’olombelona, araka ny tenin’ny mpaminany hoe:
Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo ka nampiely ny taranak’olombelona, dia nozarazarainy am-paritany ireny araka ny isan’ireo anjely: