Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 5:14 - DIEM PROTESTANTA

Efa reko ny momba anao fa entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra ianao ary hita ao aminao ny fahazavan-tsaina sy ny fahalalana ary fahendrena tena fatratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Efa reko ny aminao, fa manana fanahin’ireo andriamanitra ianao sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena hafakely hita ao aminao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Efa reko ny momba anao fa entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra ianao ary hita ao aminao ny fahazavan-tsaina sy ny fahalalana ary fahendrena tena fatratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Efa reko ny aminao, fa hianao manana fanahin’ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Efa reko ny aminao, fa manana fanahin’ireo andriamanitra ianao sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena hafakely hita ao aminao.

Jereo ny toko



Daniela 5:14
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Nanonofy aho nefa tsy nisy olona nahalaza ny heviny. Kanefa reko fa ianao, hono, afaka manazava ny hevitry ny nofy izay lazaina aminao.


ka hoy ny Farao tamin’ireo mpanompony: –Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin’Andriamanitra tahaka ity?


Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina sady mahalala izay misy ao amin’ny maizina, satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.


Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny faran’ny tany izy.


Tamin’izay dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka nitenenany hoe: –Ianao ve no Daniela, isan’ny Jiosy babo izay nentin’ny mpanjaka raiko avy any Joda?


Ary vao teo no nentina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy mba hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny, nefa tsy nahalaza izany ireo.


Ary teo ambonin’ireo dia nisy telo lahy mpitantan-draharaha, ka i Daniela ny anankiray; izy telo lahy no hanaovan’ireo solotenan’andriamanjaka tatitra mba tsy hisy hanimba ny tombon-tsoan’ny mpanjaka.