Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 3:20 - DIEM PROTESTANTA

Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany no nasainy namatotra an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany koa no nasainy namatotra an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ka nanipy azy ireo tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany no nasainy namatotra an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany no nasainy namatotra an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany koa no nasainy namatotra an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ka nanipy azy ireo tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo.

Jereo ny toko



Daniela 3:20
7 Rohy Ifampitohizana  

Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hananià nantsoiny hoe Sadràka, i Misaela nantsoiny hoe Mesàka, ary i Hazarià nantsoiny hoe Habeda-Negao.


Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin’ny fotoana izay handrenesanareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin’ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin’ny fahefàko?


Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.


Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin’ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin’ny lafaoro misy afo mivaivay.


Nony avy nandalasina kapoka izy roa lahy, dia nampidirina am-ponja ka nofeperana ilay mpiambina mba hanao andrimaso azy tsara.


Tamin’ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa.