Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 3:14 - DIEM PROTESTANTA

dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe: –Marina ve ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsangako?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka niteny tamin’izy ireo i Nebokadnezara hoe: Moa fanahy ninianareo ve, ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-Nego ny tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, sy tsy ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe: –Marina ve ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsangako?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka niteny tamin’izy ireo i Nebokadnezara hoe: Moa fanahy ninianareo ve, ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-Nego ny tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, sy tsy ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako?

Jereo ny toko



Daniela 3:14
5 Rohy Ifampitohizana  

Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan’ireo andriamanitr’i Babilôna ireo; izay filanja tamin’ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin’ireto biby efa reraka.


Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.


Ary Nebokadnetsara mpanjaka nampanao sarivongan’olona volamena; telopolo metatra ny haavony ary telo metatra ny sakany. Ka nasainy natsangana teo amin’ny tany lemaka Dorà, tao amin’ny faritanin’i Babilôna, izany.


Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny faran’ny tany izy.