Namoaka didy ianao, ry mpanjaka, nanao hoe: «Ny olona rehetra dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongan’olona volamena rehefa mandre ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany.
Daniela 3:11 - DIEM PROTESTANTA Fa na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.» Baiboly Protestanta Malagasy fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra. Malagasy Bible fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra. La Bible en Malgache fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo. |
Namoaka didy ianao, ry mpanjaka, nanao hoe: «Ny olona rehetra dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongan’olona volamena rehefa mandre ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany.
Misy anefa lehilahy jiosy izay voatendrinao hitondra ny faritanin’i Babilôna, dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; ireo lehilahy ireo dia tsy nanaja ny didinao, ry mpanjaka, tsy mety manompo an’ireo andriamanitrao, ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsanganao.
Ary na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka aminy dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.»
dia nanatona ny mpanjaka izy ary niteny teo anatrehany momba ilay didy ka nanao hoe: –Ry mpanjaka ô, moa tsy nisy didy nosoniavinao va fa ato anatin’ny telopolo andro, na zovy na zovy no hanao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Dia namaly kosa ny mpanjaka nanao hoe: –Marina tokoa izany, dia araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.
Dia dodona nankany amin’ny mpanjaka ireo mpitantan-draharaha ambony sy solotenan’andriamanjaka, ary nanao taminy hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry Dariôsa mpanjaka!
izao: –Hitanay fa ny fonja dia nihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana. Nefa nony voavohanay ny varavarana, dia tsy nahita olona tao izahay.