Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 2:6 - DIEM PROTESTANTA

Fa raha mahalaza amiko ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe avy amiko. Noho izany ambarao ahy ny nofy sy ny heviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be. Koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ny heviny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha mahalaza amiko ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe avy amiko. Noho izany ambarao ahy ny nofy sy ny heviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa hianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ny heviny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be. Koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ny heviny.

Jereo ny toko



Daniela 2:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela ka nanome azy zava-tsarobidy marobe ary nanendry azy ho mpifehy amin’ny faritanin’i Babilôna manontolo sy ho lehiben’ireo olon-kendry rehetra ao Babilôna.


Niaraka tamin’izay dia nanome baiko i Belsatsara mba hampiakanjoina jaky i Daniela sady hasiana rojo volamena ny vozony. Ary nasainy nambara am-pahabemaso koa fa i Daniela dia isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eo amin’ny fanjakana.


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy mba hampanalaina ny mpisikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy. Dia nitenenan’ny mpanjaka ireo olon-kendrin’i Babilôna ka nataony hoe: –Na iza na iza mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin’ny fanjakana izy.»


Fa hitafotafo mihitsy ny voninahitra izay homeko anao, ary hataoko avokoa izay holazainao amiko rehetra. Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io.»


Ary hoy i Balàka taminy: –Nahoana no tsy tonga ianao tamin’ireo iraka voalohany izay nalefako? Sao dia heverinao tsy ho haiko ny hanome voninahitra anao!


Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.


Noho izany, dia mandehana mody any amin’ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.