Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.
Daniela 2:46 - DIEM PROTESTANTA Dia niankohoka i Nebokadnetsara mpanjaka, ka nanome voninahitra an’i Daniela ary nampanolotra fanomezana sy zava-manitra ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niankohoka teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara mpanjaka ary nampanolotra fanatitra sy hanitra mani-pofona ho azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niankohoka i Nebokadnetsara mpanjaka, ka nanome voninahitra an’i Daniela ary nampanolotra fanomezana sy zava-manitra ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin’i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy. Malagasy Bible Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy. La Bible en Malgache Dia niankohoka teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara mpanjaka ary nampanolotra fanatitra sy hanitra mani-pofona ho azy. |
Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.
«Raha vao renareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sarivongan’olona volamena izay natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka.
Koa tamin’ny fotoana izay nandrenesana ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ny sarivongana volamena izay efa natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka ireo vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra.
Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›
Horavako ny tanànanareo, ka hataoko tonga lao ny trano fivavahanareo, ary tsy hankasitrahiko velively ny hanitry ny soronareo.
Iny vao hiditra iny i Petera, dia nitsena azy i Kôrnely ary niantoraka teo an-tongony ho mari-panajana azy.
Ary ilay mpisoron’i Jopitera izay nanana ny tempoliny teo am-bavahadin’ny tanàna dia efa nitondra ombilahy voaravaka fehiloha voninkazo teo am-bavahady satria nikasa hanao sorona tamin’i Barnabà sy i Paoly izy mbamin’ny vahoaka.
Nampoizin’ny olona hivonto na hikarapoka ho faty tampoka izy. Niandry ela ihany ry zareo ka nony nahita azy tsy naninon-tsy naninona, dia niova hevitra tanteraka, ka namerimberina hoe: «Isan’ireo andriamanitra io!»
Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra
Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.
Izaho Jôhany no nahare sady nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sady nahita aho, dia niankohoka teo an-tongotr’ilay anjely mba hitsaoka azy,