Daniela 2:40 - DIEM PROTESTANTA Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy tahaka ny vy. Tahaka ny anorotoroan’ny vy sy anapotehany ary anamontsanany ny zavatra rehetra no hanorotoroan’io fanjakana io sy hanamontsanany ireo fanjakana rehetra talohany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no hamakivakiany sy hanorotoroany azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy tahaka ny vy. Tahaka ny anorotoroan’ny vy sy anapotehany ary anamontsanany ny zavatra rehetra no hanorotoroan’io fanjakana io sy hanamontsanany ireo fanjakana rehetra talohany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. Malagasy Bible Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. La Bible en Malgache Ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no hamakivakiany sy hanorotoroany azy. |
Hisy fanjakana malemy kokoa noho ny anao, hitsangana aorianao; avy eo dia hisy fanjakana fahatelo izay ambaran’ny halimo ka hitatra amin’ny tany manontolo.
Ary, araka ny hitanao, ny tongotr’ilay sarivongana sy ny rantsan-tongony dia tanimanga ny ampahany ary vy ny ampahany, izany hoe hizara io fanjakana io. Hisy fahamafisana toy ny an’ny vy ao aminy, satria hitanao fa ny vy dia nifangaro tamin’ny tanimanga;
Taorian’izany dia mbola nijery ny fahitako tamin’ny alina ihany aho ka indro nisy biby fahefatra mahatahotra sy mahatsiravina sady matanjaka aoka izany. Nanana nify vy lehibe izay nihinanany sy namiravirany izy, fa izay sisa tsy laniny dia nohoseny; ary hafa noho ireo biby rehetra teo alohany izy fa nanana tandroka folo.
Hitombo hery hatrany izy, kanefa tsy avy amin’ny herin-tenany. Hanao fanimban-javatra mampitolagaga izy ary hahomby amin’ny hataony; haringany ireo mahery sy ireo olona voatokana ho an’Andriamanitra.
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakîny tamin’ny hersa vy ny mponin’i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia ho avy ny Rômanina handrava ny tempolintsika sy ny firenentsika.