Amosa 1:3 - DIEM PROTESTANTA3 Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakîny tamin’ny hersa vy ny mponin’i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy: Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria ragiragy vy no nanosihoseny an’i Gileada; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakîny tamin’ny hersa vy ny mponin’i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy: Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Damasy, - ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada tamin’ny ambaràmbana vy, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, Dia tsy havelako izy, Satria kodia vy no nivelezany an’i Gileada; Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; Jereo ny toko |
Fa nanontany azy i Hazaela hoe: –Nahoana ianao no mitomany, tompoko? Ka hoy ny navalin’i Elisà: –Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin’ny Israelita: hodoranao ny tanànamimandany; hovonoinao ho faty amin’ny sabatra ny tanorany, homontsaninao ny ankizikeliny, ary hotatahinao kibo ny vehivavy bevohòka eo aminy.
Misy zavatra enina izay halan’ny TOMPO ka tsy zakany mihitsy, dia ireto: ny fijery miavonavona, ny fiteny mandainga, ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika. Fa misy koa zavatra fahafito, dia ny olona mpamafy ady amin’ny rahalahiny.
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy: