Daniela 12:11 - DIEM PROTESTANTA Ary manomboka amin’ny fotoana hampitsaharana ny sorona fanao isan’andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1 290 andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isanandro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roanjato sy arivo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary manomboka amin’ny fotoana hampitsaharana ny sorona fanao isan’andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1 290 andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan-andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivi-folo sy roan-jato amby arivo. Malagasy Bible Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. La Bible en Malgache Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isanandro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roanjato sy arivo. |
Rehefa mifarana izany fotoana izany, dia mivadiha ianao handry amin’ny ilanao havanana; ka mandritra ny efapolo andro no hivesaranao ny fahotan’ny fanjakàn’i Joda. Ferako ho andro iray isaky ny taona iray nanotany no hanaovanao izany.
–Mba tsapao mandritra ny folo andro aloha izahay mpanomponao, ka anana sy rano ihany omena hohaninay sy hosotroinay.
Ary ireo miaramila hirahiny dia haka toerana eo anoloan’ny toeramasina mimanda ka hanazimba azy; hampitsahatra ny sorona fanao isan’andro amin’Andriamanitra izy sady hampiditra ilay fanimbazimbana mahatsiravina.
Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan’ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalàna; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan’Andriamanitra io ireo.
Ary ny fivoasana momba ny hitanao ny amin’ny maraina sy hariva dia marina tokoa; saingy ahorony hiafina aloha izany fahitana izany, satria mbola ho amin’ny andro ela izany.
Ary amin’ny fito taona farany dia hampihatra fanerena henjana amin’ny olona maro izy, ka afaka telo taona sy tapany monja dia hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra. Fanompoan-tsampy maharikoriko no hanesika izany mpandrava izany mandra-pigadon’ny famongorana izay voatendry hiantonta aminy.
Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.
–Ho hitanareo tafajoro ao amin’ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan’i Daniela mpaminanin’Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!)
–Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky).
Ny kianjan’ny tempoly, ilay eo ivelany, dia avelao ihany fa aza refesina; satria nomena ny hafa firenena izany, ka hanitsakitsaka ny tanàna masina izy ireo mandritra ny 42 volana.
Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin’Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1 260 andro.
Dia nomena vava midaondaona sy manevateva an’Andriamanitra ilay biby, sady nomena fahefana mba hiasa mandritra ny 42 volana.