Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 11:44 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa hisy vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra hampitebiteby azy, ka hiainga hanafika amin-katezerana mafy izy mba handrava zavatra sy handringana olona maro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hisy siosion-dresaka avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy ka hivoaka handrava sy handringana olona maro amin’ny fahatezerana lehibe izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa hisy vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra hampitebiteby azy, ka hiainga hanafika amin-katezerana mafy izy mba handrava zavatra sy handringana olona maro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hisy siosion-dresaka avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy ka hivoaka handrava sy handringana olona maro amin’ny fahatezerana lehibe izy.

Jereo ny toko



Daniela 11:44
8 Rohy Ifampitohizana  

Hisafoaka ny mpanjaka ao atsimo ka hivoaka hiady amin’ny mpanjaka ao avaratra, izay hamory miaramila marobe; nefa io tafika goavana io dia hatolotra ho eo an-tanam-pahavalo.


Fa ho tonga hamely azy ny sambon’i Kitima, ary ho kivy izy ka hiverin-dalàna. Hisafoaka indray izy ka hanao izay hanoherana ny fanekempihavanana masina sady hifanaraka koa amin’ireo mivadika amin’izany fanekempihavanana izany.


Ho lasany avokoa ny tahirim-bolamena sy volafotsy ary zava-tsoan’i Ejipta; ary ny Libianina sy ny Etiôpianina dia hanaiky azy.


Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»


Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’i Eofrata, ony lehibe, ny anjely fahenina; ka ritra ny ranony, hanomanan-dalana ho an’ny mpanjaka avy any atsinanana.


Miray hevitra ireo mpanjaka folo ireo ka manolotra ny hery sy ny fahefàny ho an’ilay biby.