Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 11:32 - DIEM PROTESTANTA

Ary izy mpanjaka mihitsy no handroboka ny olona hitsipaka ny fanekempihavanana amin’ny fandokadokafana. Nefa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny dia hiorina mafy amin’ny fanaony;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay mivadika ny fanekena dia ho azony amin’ny fandokadokafana. Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia hahery ary hiasa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary izy mpanjaka mihitsy no handroboka ny olona hitsipaka ny fanekempihavanana amin’ny fandokadokafana. Nefa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny dia hiorina mafy amin’ny fanaony;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin’ny fandroboana; fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’izany ka hankatò azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay mivadika ny fanekena dia ho azony amin’ny fandokadokafana. Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia hahery ary hiasa.

Jereo ny toko



Daniela 11:32
27 Rohy Ifampitohizana  

«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


Na aiza na aiza ianareo no mandre ny feon’anjomara, dia mivoria atỳ aminay; fa Andriamanitra no hiady ho antsika!


Ny TOMPO no fialofana ho an’ny ampahorîna, eny, fialofana amin’ny andro mahory.


Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga.


Ny mampahory olona amin’ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.


Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»


«Ary hisy olona fanebaka handimby io mpanjaka io nefa tsy hanam-pahamendrehana hanjaka akory; fa hiditra an-tsokosoko izy ka handrombaka an-kafetsena ny fahefà-manjaka.


Ary mandritra ireny fanenjehana ireny dia fanampiana kely monja no ho azon’ireto ampahorina, satria maro ny olona hiandany aminy noho ny fihatsarambelatsihy ihany.


Dia Izaho Tompo no ho herin’ny vahoakako; ary amin’ny anarako no hifampiarahabany. Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany».


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan’ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.