Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza.
Daniela 11:28 - DIEM PROTESTANTA Ary hiverina any amin’ny taniny mitondra harembe ilay mpanjaka ao avaratra; ka hanatanteraka izay nokasainy hanoherana ny fanekempihavanana masina izy, vao hody any amin’ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hiverina ho any amin’ny taniny mitondra harena be izy; ny fony anefa dia hanohitra ny fanekena masina; hataony izany dia hiverina ho any amin’ny taniny izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hiverina any amin’ny taniny mitondra harembe ilay mpanjaka ao avaratra; ka hanatanteraka izay nokasainy hanoherana ny fanekempihavanana masina izy, vao hody any amin’ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hiverina ho any amin’ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ny taniny izy. Malagasy Bible Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy La Bible en Malgache Hiverina ho any amin’ny taniny mitondra harena be izy; ny fony anefa dia hanohitra ny fanekena masina; hataony izany dia hiverina ho any amin’ny taniny izy. |
Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza.
Ary ireo mpanjaka roa ireo dia samy haniry hanao ratsy ao am-pony avy ka hifampiresaka lainga eo amin’ny latabatra iray; nefa tsy hahomby izany satria amin’ny fotoanandro voatendry ihany no hiafaran’ny raharaha.
Amin’ny fotoana voatendry, dia hiverina any atsimo indray izy, nefa tsy hizotra tahaka ny tamin’ny voalohany ny fanafihana amin’ity farany ity.
Ary natolotra hanamparany halozana izany tafiky ny lanitra izany ary koa ny sorona fanao isan’andro. Dia nazeran’io tandroka io tamin’ny tany kosa ny fahamarinana; ary nahomby izy tamin’izay nataony.
Hitombo hery hatrany izy, kanefa tsy avy amin’ny herin-tenany. Hanao fanimban-javatra mampitolagaga izy ary hahomby amin’ny hataony; haringany ireo mahery sy ireo olona voatokana ho an’Andriamanitra.
Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»