Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 10:7 - DIEM PROTESTANTA

Ary izaho Daniela irery ihany no nahita ny fahitana, fa ireo olona izay niaraka tamiko dia tsy nahita izany; kanefa raiki-tahotra mafy izy ireo ka nandositra niery.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana fa ireo olona izay teo amiko kosa dia tsy mba nahita izany, nefa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary izaho Daniela irery ihany no nahita ny fahitana, fa ireo olona izay niaraka tamiko dia tsy nahita izany; kanefa raiki-tahotra mafy izy ireo ka nandositra niery.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana fa ireo olona izay teo amiko kosa dia tsy mba nahita izany, nefa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.

Jereo ny toko



Daniela 10:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia namaly izy hoe: –Nandre ny feonao tao an-jaridaina aho, dia natahotra fa mitanjaka, koa dia niery.


Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.


Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.


«Ry ilay taranak’olombelona, hano amin-kovitra ny mofonao ary sotroy amin-tahotra sy amin’ahiahy ny ranonao.


Ny mpiara-dia tamiko dia nahita ilay hazavana, nefa sy mba nandre ny feon’ilay niteny tamiko.


Tafatsatoka tsy nahateny tsy nahavolana ireo olona mpiara-dia amin’i Saoly; reny tokoa ny feo, nefa tsy nisy olona hitany.


Nahatsiravina loatra ny zava-niseho ka hoy i Mosesy: «Mangorohoro aho fa matahotra loatra.»