Daniela 10:5 - DIEM PROTESTANTA Ary nampifantoka ny masoko hijery aho ka nahita lehilahy iray niakanjo rongony fotsy sady nanao fehikibo volamena madio avy any Ofaza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia nanopy ny masoko aho ka nijery ary indro, nisy lehilahy iray niakanjo vita tamin’ny lamba rongony ka tena volamena avy any Ofaza ny fehikibony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nampifantoka ny masoko hijery aho ka nahita lehilahy iray niakanjo rongony fotsy sady nanao fehikibo volamena madio avy any Ofaza. Baiboly Protestanta Malagasy dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany; Malagasy Bible dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany; La Bible en Malgache dia nanopy ny masoko aho ka nijery ary indro, nisy lehilahy iray niakanjo vita tamin’ny lamba rongony ka tena volamena avy any Ofaza ny fehikibony. |
Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.
Dia indreo lehilahy enina nipoitra teo amin’ny vavahady ambony, izay tamin’ny lafiny avaratry ny tempoly, sady samy nitondra ny fitaovam-pandravàny avy. Nisy lehilahy iray niakanjo rongony teo afovoany sady mitondra fitaovam-panoratana teny amin’ny fehikibony. Niditra izy rehetra ka nijanona teo akaikin’ny alitara halimo.
Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.
Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra;
Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?