Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.
2Timoty 4:6 - DIEM PROTESTANTA Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin’izao fiainana izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izaho dia efa hatolotra ho fanatitra aidina sahady ary efa mba akaiky ny andro fialako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin’izao fiainana izao. Baiboly Katolika Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialako. Malagasy Bible Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. La Bible en Malgache Fa izaho dia efa hatolotra ho fanatitra aidina sahady ary efa mba akaiky ny andro fialako. |
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.
Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa
Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana ity fiainana ity mba hiarahako amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako;
Indro ankehitriny efa ho faty tsy ho ela aho. Koa aoka ho fantatrareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo fa tsy nisy latsaka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo; tanteraka taminareo avokoa izy rehetra fa tsy nisy latsaka mihitsy na iray aza.