Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 3:7 - DIEM PROTESTANTA

vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko



2Timoty 3:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Mba mitady fahendrena ny mpaniratsira, fa tsy mahita; Fa izay manan-tsaina kosa mora mahazo fahalalana.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’ny lanitra, fa ireo kosa tsy natao hahalala.


Aminareo samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy amin’Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no fino?


Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.


Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.


Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina.


ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;


Manan-kolazaina betsaka izahay ny amin’izany, saingy sarotra hazavaina aminareo satria votsa fandray zavatra ianareo.