Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 3:4 - DIEM PROTESTANTA

ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra;

Jereo ny toko



2Timoty 3:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Tsy azo lavina izany, ka tokony hilamina tsara ianareo fa tsy hanaonao foana.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


Marina izany! Nesorina izy ireny noho ny tsy finoana. Kanefa aza miavonavona, fa matahòra.


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;


Fa ny mpitondratena, manaram-po amin’ny fahafinaretana, dia efa maty fanahy mbola velona.


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra.


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.