Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joda 1:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, tsy manana ny Fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 hitarika fitokotokoana, dia olona ara-batana, fa tsy mba manana ny Fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, tsy manana ny Fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Joda 1:19
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany; fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.


Ka hoy ireo amin’izay ifanenany: «Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako.» Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan’andro.


«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin’ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany.


Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin’ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin’ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany.


«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.


Ianareo kosa, tsy anjakan’ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan’ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy.


Fa ny olona tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain’izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin’Andriamanitra ihany no ahafantarana izany.


Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin’Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo,


Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian’ny Tompo.


Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin’ny demony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra