Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 1:3 - DIEM PROTESTANTA

Velom-pisaorana an’Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon’ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin’ny fivavahana ataoko andro aman’alina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko araka ny nataon’ny razako amin’ny fieritreretana madio aho; fa tsy manam-pitsaharana ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako andro aman’alina;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Velom-pisaorana an’Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon’ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin’ny fivavahana ataoko andro aman’alina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Misaotra an’Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny saina madio aho, araka ny nataon’ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Misaotra an’Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ny razako amin’ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako andro aman-alina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko araka ny nataon’ny razako amin’ny fieritreretana madio aho; fa tsy manam-pitsaharana ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako andro aman’alina;

Jereo ny toko



2Timoty 1:3
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin’ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina, ka nifady hanina sy nivavaka.


–Izaho dia Jiosy teraka tany Tarsa any Silisia, fa nobeazina teto amin’ity tanànan’i Jerosalema ity; ny mpampianatra ahy dia i Gamaliela izay nampahalala ahy tsara ny lalànan’ny razantsika. Nafana fo tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra aho, tahaka anareo rehetra ankehitriny.


Nibanjina an’ireo mpitsara i Paoly ka nanao hoe: –Ry rahalahy, nitondra tena teo anatrehan’Andriamanitra tamin-kitsimpo tokoa aho mandraka androany.


Ekeko eto anatrehanao kosa fa manompo ny Andriamanitry ny razanay aho amin’ny anarahako ny lalana nosoritan’Andriamanitra, izay lazain’ireo hoe diso. Izaho anefa dia mino izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna sy ny mpaminany.


Noho izany, dia miezaka lalandava aho mba tsy homelohin’ny fieritreretako eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.


Mahalala tsara ny fiainako avokoa ny Jiosy hatry ny fony aho tanora; satria hatrany am-piandohana, dia teo anivon’ny fireneko sy tao Jerosalema aho.


Halina manko dia nisy anjelin’ilay Andriamanitra Tompoko sady ivavahako tonga tamiko


Noho izaho tafaray amin’i Kristy, dia ny marina no lazaiko ka tsy mandainga aho; ary tarihin’ny Fanahy Masina ny fieritreretako no mijoro ho vavolombelona miara-manambara amiko


Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.


Nandroso tokoa aho tamin’ny fivavahana jiosy ary nihoatra ny ankamaroan’ireo indray nihira tamiko teo amin’ny fireneko sady fatra-pitana kokoa noho izy ireo ny fampianarana nampitain’ny razako.


dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra noho ny aminareo. Mahatsiaro anareo aho amin’ny fivavahako


Mangataka mafy aminy, andro aman’alina, izahay mba hifanatri-tava aminareo sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo.


tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany;


Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy.


Ny vehivavy, tena mpitondratena tokoa sady tsy mana-mpiahy, dia efa nametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra, ka mivavaka hatrany ary mangataka hampian’Andriamanitra andro aman’alina.


Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan’i Lôisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.


Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa.


I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.


Fa ny amiko kosa, dia sanatriaviko ny hanota amin’ny TOMPO ka hijanona tsy hivavaka ho anareo. Ary hatoroko anareo hatrany ny lalana tsara sy mahitsy.