Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.
2Petera 3:4 - DIEM PROTESTANTA ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenàn’ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova toy ny hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao ihany!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka milaza hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenàn’ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova toy ny hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao ihany!» Baiboly Katolika ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenany hoe ho avy? Fa hatrizay nahafatesan’ny razana izay, tsy misy miova ny zavatra rehetra, fa toy ny hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ihany.» Baiboly Protestanta Malagasy ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. Malagasy Bible ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. La Bible en Malgache ka milaza hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. |
Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.
Izay efa teo ihany no mbola ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray. Fa tsy misy zava-baovao akory izay rehetra mitranga etỳ ambonin’ny tany.
Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.
Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe: «Aiza ihany ity tenin’ny TOMPO? Aoka ho tanteraka amin’izay izany!»
Lazainy hoe: ‹Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin’ny fotoana elaela! Fa ho toy ny vilany ity tanàna ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny.›
Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»
Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.
Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.
Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko»,
Fa hatrany am-piandohana, fony nahary izao tontolo izao Andriamanitra, «dia nanao ny olona ho lahy sy vavy.»
Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.
Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin’ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo,
Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe: –Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!
Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika, amin’ny andro hiaviany.
Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian’ilay andron’Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy!
–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Laôdisia: «Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny zavaboaarin’Andriamanitra: