Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 17:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe: «Aiza ihany ity tenin’ny TOMPO? Aoka ho tanteraka amin’izay izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Indro, ireo dia miteny amiko hoe: Aiza ny tenin’NY TOMPO? Aoka ho tanteraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe: «Aiza ihany ity tenin’ny TOMPO? Aoka ho tanteraka amin’izay izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Indreo ry zareo manao amiko hoe: Aiza izay tenin’i Iaveh? Aoka ho tonga izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin’i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:15
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy indrindra izy ireo hoe: «Aoka ho tanteraka haingana dia haingana izay hataon’ny TOMPO, mba hojerenay! Aoka ho tonga amin’ny fotoany ny fikasan’Ilay Masin’i Israely fa tianay ho fantatra!»


«Ry ilay taranak’olombelona, ahoana moa izao oha-pitenenana ataonareo momba ny tanin’i Israely izao hoe: ‹Lasa ihany ny fotoana nefa toa tsy nisy tanteraka akory izay fahitana!›


Lozan’izay miandrandra ny androm-pamaizan’ny TOMPO! Fa ho inona moa aminareo io androm-pamaizan’ny TOMPO io? Ho andro maizim-panahiana izany fa tsy hamiratan-tsoa,


Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra