Tonga ilay Andriamanitray ka tsy hangina Izy fa hiteny. Afo mandevona no mialoha Azy, tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
2Petera 3:12 - DIEM PROTESTANTA Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian’ilay andron’Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka manantena sady manafaingana ny fiavian’ny Andron’Andriamanitra izay handevona ny lanitra amin’ny afo ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian’ilay andron’Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! Baiboly Katolika amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny Andron’ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra? Baiboly Protestanta Malagasy sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! Malagasy Bible sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! La Bible en Malgache ka manantena sady manafaingana ny fiavian’ny Andron’Andriamanitra izay handevona ny lanitra amin’ny afo ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! |
Tonga ilay Andriamanitray ka tsy hangina Izy fa hiteny. Afo mandevona no mialoha Azy, tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.
miempo eo ambany tongony ny tendrombohitra tahaka ny savoka taninin’ny afo; ary loadoaka ny lohasaha tahaka ny rehefa misy riaka mivarimbarina eny an-kilahila.
Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.
Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.
Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa.
Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan’ny voninahitr’i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika.
Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.
Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin’Andriamanitra?
ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenàn’ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova toy ny hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao ihany!»
Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin’Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin’ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin’Andriamanitra.
mitahiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay.