Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Petera 3:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Kanefa isika, araka ny fampanantenàn’Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan’ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Kanefa isika, araka ny fampanantenàn’Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan’ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy




2Petera 3:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.


Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao ka tsy hotsarovana intsony ny habakabaka sy tany taloha na ho mby ao an-tsaina akory aza.


Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak’ondry; ny liona hihinam-bilona toy ny omby, ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany. Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO, na fanimbàn-javatra intsony, manerana ny tendrombohitro masina!


Dia hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ny taranakareo sy ny lazanareo dia haharitra eo anatrehako, tahaka ny haharetan’ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay hataoko.


Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon’ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra hananan’ireo zanak’Andriamanitra.


Izany voninahitr’Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvana vokatry ny filàndratsy mihanaka eo amin’izao tontolo izao.


Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra