2Petera 1:7 - DIEM PROTESTANTA ny firaiketam-ponareo amin’Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalànareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny firaiketam-ponareo amin’Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalànareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra. Baiboly Katolika ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Malagasy Bible ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. La Bible en Malgache ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. |
Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Fa ambonin’ny zavatra rehetra, mitafia ny fitiavana izay mamehy ny hatsaram-panahy rehetra ho tanteraka.
Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo!
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.
Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa.
Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.
Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.
Fantatsika fa tafafindra avy tamin’ny fahafatesana mba hiditra ao amin’ny fiainana isika, satria tia ireo namana iray finoana. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany.
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: i Jesoa Kristy dia nahafoy ny ainy hamonjeny antsika; ary isika koa dia mba tokony hahafoy ny aintsika hamonjena ny namana.
Ary izao no didy azontsika tamin’i Kristy: izay manam-pitiavana an’Andriamanitra dia tsy maintsy manam-pitiavana ny namana iray finoana koa.