Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 4:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ary izao no didy azontsika tamin’i Kristy: izay manam-pitiavana an’Andriamanitra dia tsy maintsy manam-pitiavana ny namana iray finoana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary izao no didy azontsika Taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary izao no didy azontsika tamin’i Kristy: izay manam-pitiavana an’Andriamanitra dia tsy maintsy manam-pitiavana ny namana iray finoana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary izao no didy azontsika Taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 4:21
20 Rohy Ifampitohizana  

Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin’ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.


–Efa renareo fa voalaza hoe: «Tiavo ny namanao» ary ankahalao ny fahavalonao!


Dia novaliany hoe: –Ilay niantra azy. Dia hoy i Jesoa taminy: –Ndeha àry, ka mba manaova torak’izany koa!


Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo.


Satria ny lalàna manontolo dia tanteraka amin’ny didy tokana hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!»


Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.


Momba ny fifankatiavan’ny samy kristianina, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia.


Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.


Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa.


Ry hava-malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany; izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo.


Izao manko no hafatra efa renareo hatramin’ny voalohany: aoka isika hifankatia!


Fantatsika fa tafafindra avy tamin’ny fahafatesana mba hiditra ao amin’ny fiainana isika, satria tia ireo namana iray finoana. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany.


Rey anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny tsara lahatra fotsiny isika, fa ho tia amin’ny asa sy araka ny tena marina.


Ary ny didin’Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen’i Kristy antsika.


Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra