Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.
2Tantara 26:12 - DIEM PROTESTANTA Andiany roa nisy olona eninjato no filohan-tarika nibaiko ireo miaramila maherifo ireo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eninjato sy roa arivo ny isan’ny lohan’ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Andiany roa nisy olona eninjato no filohan-tarika nibaiko ireo miaramila maherifo ireo; Baiboly Katolika Ny isan’ny loham-pianakaviana, izay samy mpiady mahery avokoa, dia 2.600 no tontaliny. Baiboly Protestanta Malagasy Enin-jato amby roa arivo no isan’ny lohan’ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. Malagasy Bible Enin-jato amby roa rivo no isan'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. La Bible en Malgache Eninjato sy roa arivo ny isan’ny lohan’ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. |
Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.
Nanana tafika i Hozià, dia tafika afa-mifanandrina amin’ny fahavalo sy vonona hiatrika ady; notsinjaraina ho vondro-miaramila izany, araka ny vokatry ny fanisana notontosain’i Jehiela mpitantsoratra sy i Mahaseià mpitantan-draharaha, sady napetraka ho eo ambany fifehezan’i Hananià izay anankiray tamin’ireo komandy voatendrin’ny mpanjaka.
ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7 500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony.
Araka ny firazanany, dia ireto avy ny loham-pianakaviana niaraka tamiko niala tany Babilôna ka niverina an-tanindrazana, tamin’ny andro nanjakan’ny amperôra Artakserksesa: