Ny toetran’ireo taranak’i Ahaba no narahin’i Ahazià; ka nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka ny nataon’ireo izy sady vinanton’ny taranak’i Ahaba ihany.
2Tantara 22:3 - DIEM PROTESTANTA Nanaraka ny toetran’ireo taranak’i Ahaba koa i Ahazià, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanaraka ny toetran’ireo taranak’i Ahaba koa i Ahazià, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy. Baiboly Katolika Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Akaba koa izy, fa ireniny no mpanoro hevitra azy hampanota azy. Baiboly Protestanta Malagasy Nandeha tamin’ny làlan’ny taranak’i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. Malagasy Bible Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. La Bible en Malgache Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. |
Ny toetran’ireo taranak’i Ahaba no narahin’i Ahazià; ka nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka ny nataon’ireo izy sady vinanton’ny taranak’i Ahaba ihany.
Feno 22 taona izy fony vao nanjaka; ary herintaona ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hatalià, zafikelin’i Hômrỳ.
Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian’ny nahafatesan’i Jôrama rainy ka nampidi-doza azy.
Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka,
satria i Hatalià, ilay vehivavy ratsy fanahy, sy ireo mpomba azy efa nandrava ny tranon’Andriamanitra; ary ny fanaka masina rehetra tao an-tranon’ny TOMPO koa dia efa nampiasainy hanompoana an’ireo Bahala.»
fa nitondra tena tahaka ny mpanjakan’i Israely avaratra. Nanao sarivongan-tsampy ho fanajana an’ireo Bahala mihitsy aza i Ahaza.
Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.
Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
Saingy hoy izy roa lahy taminy: –Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra;