Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 11:1 - DIEM PROTESTANTA

Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda sy i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Israely mba hampody ny fanjakana ho an’i Rehoboama.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda sy i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Israely mba hampody ny fanjakana ho an’i Rehoboama.

Jereo ny toko



2Tantara 11:1
6 Rohy Ifampitohizana  

Izay nohanin’ireo zatovoko ihany no hotazoniko. Ary ny anjaran’ireo lehilahy niaraka tamiko, izany hoe ny an’i Hanera sy i Eskôla ary i Mamre, dia izy ireo ihany no handray izany.


Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.


Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;


Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben’ny heriny.