Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika.
1Timoty 3:10 - DIEM PROTESTANTA Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina. Baiboly Katolika ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rehefa hita fa tsy manan-tsiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny. Malagasy Bible Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny. La Bible en Malgache Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny. |
Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan’ny fahafatesana tao amin’ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany.
fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa.
Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana;
tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;
Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.
Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.