Sambatra ny firenena manana ny TOMPO ho Andriamanitra; sambatra ny vahoaka nofidiny mba ho Azy manokana.
1Petera 5:3 - DIEM PROTESTANTA tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry; Baiboly Katolika tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; Baiboly Protestanta Malagasy tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry. Malagasy Bible tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry. La Bible en Malgache tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry. |
Sambatra ny firenena manana ny TOMPO ho Andriamanitra; sambatra ny vahoaka nofidiny mba ho Azy manokana.
Tsarovy ilay vahoakanao izay efa azonao hatramin’ny ela, dia ireo foko navotanao ho fanananao; tsarovy ny tendrombohitra Tsiôna izay nataonao fonenana.
Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin’ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin’ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo.
TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.
Fa ianao sy ny taranakao kosa dia hanatanteraka ny fisoronanareo eo amin’ny alitara sy ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ao ambadiky ny efitra lamba. Izaho no hanome anareo maimaimpoana izany asa fisoronana izany; raha misy olon-kafa manakaiky eo dia tsy maintsy maty izy.
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.
Kanefa moa ho antsika tafaray amin’ny Tompo dia natao hifameno ny vehivavy sy ny lehilahy:
Fa inona moa i Apôlao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon’Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen’ny Tompo hataonay avy:
Fa izahay dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra ary ianareo no sahan’Andriamanitra. Trano aorin’Andriamanitra koa ianareo.
Izahay dia tsy manao jadona aminareo ny amin’izay tokony hinoanareo, satria efa tsara orina amin’ny finoana ianareo; fa miara-miasa aminareo izahay hampandroso ny hafalianareo.
Tsy ny tenanay manko no ambaranay rehefa mitoriteny izahay, fa i Jesoa Kristy Tompo; izahay kosa dia milaza ny tenanay ho mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.
Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo.
Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon’ny fiadanana.
Izany no nataonay, dia tsy hoe tsy manan-jo handray fanampiana avy aminareo izahay, fa mba hanomezanay ohatra hotahafinareo.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
Amin’ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin’ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina:
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.